Tetikasa Mamiratra: Ankizy 41 nahazo tohana ara-tsaina

Hofaranana eny Ivandry, anio, ny tetikasa « Mamiratra ». Nifarimbonan’ny fikambanana Cœur des bénévoles sy ny fikambanana Manampy mahatony ary ny fikamban’ny mpianatra momba ny psycho-social eny Ankatso (AE-PSI) ity hetsika ity.

Anampiana ireo ankizy sahirana ara-pivelomana miisa 41, anaty salan-taona 10 hatramin’ny 14 taona, mianatra ao amin’ny fikambanana Manampy ma­hatony ny tetikasa, araka ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanana Coeur des Bénévoles, Tahinamalala Tandrianarison.
Novoizina tao anatin’ny asa, nandritra izay roa volana izay ny fandraisana an-tanana ny ara-psyko-sosialy sy ny hetsika mampiala voly sy mampiasa saina ireo mpianatra. Tanjona ny hahafahan’izy ireo mahatoky tena sy mampandroso ny tenany ka tsy hiantehitra amin’ny hafa ary ho sahy manapa-kevitra manoloana ny toe-javatra iray.
Ao anatin’ny famaranana ny tetikasa anio no ahitana ny karazana seho ataon’ireo ankizy. Hitarafana ihany koa ny fivoaran’izy ireo nandritra ny tohana ara-tsaina sy fankaherezana nomena azy ireo. Hisy koa ny fizarana mari-pankasitrahana ho an’ireo tanora nanao ny asa an-tsitrapo nandritra ny roa volan’ny tetikasa.
Tena ilain’ny ankizy ny fanohanana ara-tsaina satria miaina ny vesatry ny fiarahamonina sy ny rotorotom-piainana ihany koa izy ireny. Tsy tokony hatao ambanin-javatra izany fa manampy be ny ankizy hanana fivelarana sy fahatokisan-tena ary ho sahy hijoro.

Tatiana A

Partager sur: