Natao omaly ny famindram-pitantanana momba ny tetikasa « Zara Mira » teo amin’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina sy ny Unicef. Manampy ny fanjakana malagasy amin’ny fanatsarana ny fari-piainan’ireo sokajin’olona marefo ny tetikasa. Anisan’izany ny zaza sy ny ankizy, ny reny bevohoka ary ireo olona manana fahasembanana.
Iasana amin’ny tetikasa ireo faritra efatra, toa an’ Anosy, Atsimo Andrefana, Fitovinany ary Atsimo Atsinanana. Mahakasika distrika enina, ahitana an’Amboasary, Ampanihy, Manakara, Vondrozo, Befotaka ary Midongy ny asa. Kaominina 23 no nisitraka izany.
Efa hatramin’ny taona 2022 ny tetikasa ary anatin’ny famaranana azy ny minisiteran’ny Mponina amin’izao fotoana. Maherin’ny 163 000 ireo ankizy nisitraka izany. Vehivavy bevohoka 1 600 sy olona manana fahasembanana 2 900 ihany koa no nahavita nanatsara ny fari-piainany ka afaka nisakafo ara-dalàna. Nisitraka fahasalamana, nanaraka fiofanana izy ireo. Manodidina ny 95% ireo zaza teraka no nisitraka kopia. Fampidiram-bola maharitra miisa 4 500, ihany koa, niforona.
Tatiana A




