Efa vita ny famolavolana ny boky torolalana ho an’ny orinasa manome lanja ny fiahiana ny fianakaviana anatin’ny asa sahaniny amin’ny andavanandro. Mifandraika amin’ny sehatra efatra ny boky. Ho an’ny birao, ny indostria, ny fambolena ary ny mpanome tolotra. Hanampy ny fanjakana sy ny mpitantana orinasa hametraka politika manamora ny fiainam-pianakavian’ny mpiasa tsirairay ity fitaovana ity. Voakasika ao ny fialantsasatra ho an’ny ray sy reny, ny fahazoana fotoana hampinonoana ny zaza ho an’ny reny miasa. Eo koa ny fisian’ny toerana manokana ho an’ny reny manan-janaka madinika. Mampiroborobo ny fivelaran’ny zaza ara-batana sy ara-tsaina ny fisitrahana tontolo milamina ao an-tokantrano sy any am-piasana ho an’ny ray aman-dreniny. Mandrisika ny fanjakana malagasy, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Asa sy ny fampananana asa ary ny asam-panjakana, hanome fiatoana handraisana karama mandritra ny enim-bolana ho an’ny vehivavy aorian’ny fiterahana ny Unicef. Mba hahazoany mampinono ny zanany tsy tapaka izany. Zava-dehibe koa ny fametrahana toerana voatokana ho an’ny fampinonoana any am-piasana. Namome toky ny minisitera mpiahy fa hanohana ny fampiharana ity torolalana ity manomboka izao ka hatramin’ny taona 2027. Hofanina ny mpanara-maso ny asa momba izany.
Vonjy




