Niaka-dapa, ny sabotsy teo , teny Iavoloha, ireo mpilalao sy atleta namiratra teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, tao anatin’ny roa volana.
Notoloran’ny fitondram-panjakana mariboninahi-pirenena sy mari-pankasitrahana ny atleta teo amin’ny taranja Sport automobile, Razanakoto Iaro Niaina. Tompondaka tany Thailand nanomboka ny taona 2019 ka hatramin’ny 2021 izy, izay nanova sehatra ho amin’ny Grand Tourismo, tamin’ny taona 2023. Tamin’ny taona 2025 izy no lasa tompondakan’i Azia amin’ny Grand Tourismo, niaro ny voninahi-pirenena tamin’ny alalan’ny fahazoan-dalana ara-panatanjahantena malagasy. Teo ihany koa ny ekipam-pirenena malagasy Ankoay, lahy sy vavy, izay nandrombaka ny amboaran’i Afrika « Cup 3×3 », natao teto Madagasikara, ny 5 hatramin’ny 7 desambra lasa teo. Torak’izany koa, ny Malagasy mpikatroka Jiu-jitsu Breziliana. Nahazo medaly volamena Ranaivomanana Idealisoa, vao 8 taona monja. Téo ihany koa Ranarivelo Ando Mahasoa, 8 taona, nahazo medaly alimo. Nambaran’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Randrianirina Mickaël, fa ny tanora no hoavin’ny firenena ka mendrika tohanana. Nanamafy izany ihany koa ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Rasambany Alain, fa fanandratana ny firenena ny fahazoan’ny atleta malagasy vokatra tsara toy izao.
Mi.Raz




