Notanterahina nandritra ny hateloana, ny herinandro lasa teo, ny atrikasa fanavaozana ny paikadim-pirenena momba ny serasera ho an’ny ambana sy ny voina ho an’i Madagasikara. Tsapa tao anatin’ny taona maro nifandimby fa miha mafy sy miha maro ny loza voajanahary sedrain’ny Nosy. Ilaina, araka izany, ny fametrahana rafitra fiomanana sy fanatsarana ny serasera hiarovana ny vahoaka sy hampihenana ny voka-dratsin’ireo loza ireo amin’ny mponina sy ny fananany.
Niara-nisalahy tao anatin’ny atrikasa, namondrona ireo traikefa mivaingana rehetra, nandritra ny fiomanana sy ny fiatrehana ny voina nitranga teo aloha, ny BNGRC sy ny COI (vaomieran’ny ranomasimbe Indianina). Hanavaozana ny paikady vaovao no anton’izany.
Tanjona ny hanamafy ny fandrindrana ny fomba fiseraserana mifototra amin’ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza. Hitondra vokatra tsara ka hampihena ny fahavoazana eo amin’ny olona sy ny fotodrafitrasa ary ny fitaovana izany.
Homena lanja kokoa amin’ny sahan’ny serasera ny hetsika fiomanana mialoha sy ny fanapariahana ara-potoana ireo filazana fanairana, indrindra ho an’ireo tena ahina hiharan’ny loza. Efa misy ny tambajotram-pifandraisana “Ifandray”, ivondronan’ireo mpisehatra rehetra amin’ny seraseran’ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza ka izy ireo no namolavola ny paikady nohavaozina.
Taorian’ny atrikasa, nivoaka ny drafitrasa ho an’ny serasera sy ny tondrozotra hampiasaina ho an’ny dimy taona manaraka.
Vonjy




