Nianjera noho ny hamamoana: Raim-pianakaviana maty, vaky loha

Lehilahy iray 35 taona, maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana tao Toamasina, afakomaly. Voalaza fa nianjera noho ny fandehanana mafy tamin’ny moto izy. Mbola avy nisotrosotro niaraka tamin’ny namany tsy lavitra ny tranony ihany koa. Izy hamonjy fodiana iny no tsikaritry ny olona manodidina fa nikarapoka tamin’ny arofanina teny amin’ny sisin-dalana rehefa avy nandingana ireo dongodongona. Maika nahamafy ny voina ny tsy nanaovany aro loha. Hiala, anio, ao Toamasina, ny vatana mangatsiakany, hihazo ny distrikan’i Fandriana, hanitrihana azy.
Etsy akilany, “tsy ampy ny fandraisan’ny nanatri-maso ny andraikitra famonjena olona tra-pahavoazana tahaka ity tranga ity”, hoy hatrany ireo olona nahita ny voina. Misy ireo misalasala tsy te ho voasaringotra. Misy indray ny nilaza fa tsy mahafantatra ny laharana findain’ny fiara mpitondra marary. Teo ny natahotra hisakana fiara hafa satria matetika tsy mijanona ny mpandalo, samy tsy te hisahirana.
Vokany, niha betsaka ny fahaverezan-dra, efa ora vitsy taorian’izay vao tonga teny amin’ny hopitaly, efa tapitra ny ainy.
Ny alatsinainy 22 desambra tolakandro no hivoaka ny tokatranon’ny vady aman-janany ny vatana mangatsiakan’ity raim-pianakaviana ity ka hoentina hihazo ny disitrikan’i Fandriana.

Sajo

Partager sur: