Oniversiten’i Barikadimy: manomboka ny fanavaozana ny fotodrafitrasa

Nambaran’ny filohan’ny Oniversiten’i Barika­dimy, Razanakolona Diny, fa fotodrafitrasa telo lehibe no hiatombohana ny asa fanavaozana ny fotodrafitrasa ao an-toerana. Misy ny atao birao sy efitrano fivoriana. Misy ny fampiofanana sy ivontoerana fikarohana ho an’ny doctorat sy HDR ho an’ny sampana “3D”.
Nivoitra ireo tamin’ny zoma 19 desambra teo, fotoana nanambarany, niaraka tamin’ny tale misahana ny fampiofanana “Doctorale di­versité et développement durable” 3D”, Dahy Ioclin, tamin’ny fomba ofisialy ny fanombohan’izany tetsy ani­von’ny “Campus”.
Marihina fa niforona hatramin’ny taona 2023 ny “Ecole doctorale diversité et développement durable”, saingy niezaka nindrana birao tetsy sy teroa, hoy ny tale. Manka­sitraka ny fitondram-panjakana sy ny filohan’ny Oniversite izy, araka izany. Nohamafisiny fa ny fanavaozana ny fotodrafitrasa dia hahafahana manitatra ny ambaindain’ny asa fampiofanana sy fikarohana eo anivon’ity oniversite ity.
Etsy ankilan’izay, nosokafana ihany koa ny onjam-peon’ny Oniversitén’i Toamasina. Manana ny teny filamatra : “Feon’ny Fahaizana sy Fa­nahy” ny onjam-peo. Manana ny foiben-toerany etsy Am­bodimanga, ao anatin’ny tokontanin’ny oniversite ihany.
Nitokana izany ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Ravonimanantsoa Ndaohely Manda-Vy.

Sajo

Partager sur: