Tetikasa D-Clic: hanofana tanora 1 000 amin’ny asa niomerika telo

Sehatra miroborobo ny fikirakirana ny niomerika amin’izao fotoana. Ilaina ny fahafehezana ny fandaharam-pianarana mifandraika amin’izay, satria maro ny tolotrasa fa ny tanora no tsy mahafehy ny zavatra takina aminy. Izay no nametrahana ny tetikasa D-Clic hanofananna tanora momba ny asa niomerika.

Hatomboka ny volana janoary 2026 ny tetikasa D-Clic, fanofanana tanora lahy sy vavy miisa 1 000 ho amin’ny asa niomerika izay tohanan’ny Sampandra­ha­raha iraisam-pirenena mom­ba ny Frankofonia (OIF). Ny minisiteran’ny Fampiana­ra­na teknika sy ny fanofanana arakasa no hanatanteraka izany, miaraka amin’ny teknisianin’ny OIF. Ireo mpampiofana 30 no hisitraka voalohany ny fiofanana mandritra ny telo volana amin’ny faritra efatra, anatin’ny toeram-panofanana dimy. Ahitana an’Anta­na­narivo, Toamasina, Antsira­be ary Toliara. “Efa mifantina ireo tanora hisitraka ny fiofanana ny tomponandraikitra amin’izao fotoana, ka ireo ma­nana ny mari-pahaizana bakalorea sy fahalalana ny sehatry ny informatika no laharam-pahamehana”, hoy ny tale jeneralin’ny Fampiana­rana teknika eo anivon’ny minisitera sady mpandrindra ny tetikasa D-Clic, Razafin­drarija Felana, tamin’ity herinandro ity, teny Ampefiloha. Hahazo tombony ireo tanora (18- 35 taona) avy amin’ny to­kantrano marefo. Hiompana amin’ny Marketing digital, Dé­veloppe­ment web, Dévelop­pement d’applications mobiles ny fiofanana. Satria ireo no asa ahitana tolotra maro amin’izao fotoana. Fiofanana misy kalitao, mamaly ny filàn’ny tsenan’ny asa no tanjona ary ny vehivavy no ampirisihina hiofana, hahafahany mivelatra amin’ny tontolo niomerika.
Rehefa vita ny fiofanana, mbola manara-maso ireo ta­nora mpiofana mandritra ny enim-bolana hatramin’ny he­rintaona ny minisitera sy ny OIF. Hisitraka fizaran’asa avy hatrany eny amin’ny orinasa mpiara-miombon’antoka izy ireo, mandritra ny fiofanana. Homena mari-piofanana ireo mpiofana aorian’izany hanamarinana fa voafehiny ny asa telo voalaza etsy ambony. Efa misy rahateo ny rindran-damina “InesrJeunes” iarahan’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa sy ny OIF hanamorana ny fidiran’ny tanora amin’ny sehatry ny asa.

Vonjy

Partager sur: