CHU JRA: misokatra ny fitsaboana ny rantsam-batana

Nitondra fanazavana ma­ha­kasika ny fandraisana ma­rary ao amin’ny sampandraharaha misahana ny orthopédie, tromatologie ao amin’ny CHU JRA ny profesora Rabe­mazava Alexandrio, dokotera mpandidy, manampahaizana manokana amin’ny fitsaboana sy fandidiana ny rantsam-batana.
Ao amin’ny rihana fahatelo no misy ity sampandraharaha ity. Mandray an-tanana, isan’andro, ireo aretina mila fandidiana mitranga amin’ny ran­tsam-batana. Anisan’izany ny dona miteraka fahatapahan’ny taolana. Eo koa ny fery amin’ ny hoditra na nofo na hozatra sy ny fahavoazan’ny vanin-taolana. Ankoatra izany ny aretina avy amin’ny taolana, indrindra fa rehefa miha lehibe ny olona. Ny fahasembanana amin’ny rantsam-batana mila fanarenana. Ankoatra ireo ny aretin’ny taolana mety azo avy amin’ny mikraoba na fivontosana isan-karazany amin’ny rantsam-batana.
Mety misy fandidiana mai­ka tsy maintsy hatao ka raisina isan’andro ireo olona tratran’ ny tampoka na mila izany.
Manana telo andro isan-kerinandro kosa ny sampandraharaha ho fandraisana an-tanana na fandidiana ireo aretina tsy dia maika, toy ny isaky ny talata, ny alarobia ary zoma, tapany maraina.
Anisan’ny hopitaly manana ny dokotera manam-pahaizana ny ao amin’ny CHUJRA ary anisan’izany ny ao amin’ity sampandraharaha ity. Tsy tokony hisalasala amin’ny fanatonana hopitaly ny rehetra.

Tatiana A

Partager sur: