Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Karate, ho an’ny isan-tarika, Kata sy Kumite. Nahitana ny fifandanjana lentan’ny klioba izany satria klioba 4 samihafa no nandrombaka ny fandresena. Azon’ny Tiger’s Andohalo ny anaram-boninahitra teo amin’ny Kata, lehilahy. I Ichiban, Atsimondrano kosa no nahazo izany teo amin’ny Kata, vehivavy. Ho an’ny Kumite kosa, ny Akka Avaradrano no nandrombaka ny fandresena teo amin’ny sokajy vehivavy ary ny Aska kosa no tompondaka teo amin’ny sokajy lehilahy. Navitrika ny fandraisana anjaran’ny mpikatroka tamin’ ity andiany voalohany, fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara taranja Karate isan-tarika, ity. Ligy 13 no nahatonga solontena, niatrika izany teto Antananarivo. Tsiahivina fa nisy ny Gasshuku Nasionaly nialoha ity fifaninanana ity, natao ny 15 desambra hatramin’ny 18 desambra teo. Fotoana nahafahana nifampizaran’ireo andrarezina ny fahaiza-manaony tamin’ireo zandry. Nisy ny fampiofanana sy fampiakarana grady nandritra izany.
Mi.Raz




