Lycée Saint Jean Baptiste: mankalaza ny faha-90 taona niorenany

Mankalaza ny faha-90 taona niorenany ny Lycée katolika Saint Jean Baptiste Ambodivona Ambohitrimanjaka. Noso­kafana ny zoma laza teo, tamin’ny alalan’ny Sorona masina teo anivon’ny fiangonana Fo Masin’i Jesoa Ambodivona ny lanonana ivon’ny fankalazana. Notarihin’ny Vikera jeneraly Randriamampandry Wagner. Nitohy tamin’ny fitokanana ireo fotodrafitrasa telo eo anivon’ny sekoly izany. Nahitana ny kianja filalaovana basikety, ny tambohon’ny sekoly ary ireo dabilio ho an’ny mpianatra. Nofaranana tamin’ny fiaraha-
misakafo teo amin’ny tomponandraikitra sy ireo mpampia­natra ary ireo maintimolaly ny fotoana.
“Niorina tamin’ny taona 1935 ny sekoly, ezaka hatao ny hanatsarana ireo fotodrafitrasa eto an-toerana mba hanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana eo anivon’ny sekoly “, hoy ny talen-tsekoly, Rabevary Herilala. Ezaka goavana mbola hatao ny hananganana bibliothèque-médiathèque eo amin’ny se­koly, amin’io taona 2026 hoavy iny. Handraisana mpianatra 20 hatramin’ny 30 isa eo, izany.
Mahatratra 400 mahery ny isan’ny mpianatra eo amin’ity sekoly ity amin’izao, raha toa ka 100 izany tany am-piando­hana. Manodidina ny 40 ny isan’ny mpampianatra miandrai­kitra ireo ankizy ireo. Mbola maro ny hetsika ho hita man­dritra izao fotoam-pankalazana izao.

Mino

Partager sur: