Amin’izao ankatoky ny fetin’ ny Noely sy ny faran’ny taona izao, nahatsiaro ny marary manaraka fitsaboana etsy amin’ny CHU JRA ny fiangonana FVK FM tamin’ny alalan’ny sampana ara-tsosialy ao aminy.
Nanome vary, menaka, savony sy kojakoja ilaina andavanandro izy ireo. Indroa isan-taona no hanatanterahina izany hetsika fanohanana ny marary izany, raha ny fanazavana nentin’ny pasitera François. Manome ra maimaimpoana hatrany amin’ny 400 paosy koa ny fiangonana, amin’ny alalan’ ny kristianina ao aminy.
Andiany faha-17 ny hetsika natao omaly, ary hitohy hatrany izany. Manodidina ny 100 ireo olona nisitraka fanampiana. Nomena tombony ny ankizy sy ireo marary tena mila tohana.
Tsy ny ara-panahy ihany fa misy koa ny sampana sosialy ao amin’ity fiangonana ity. Ao ny Kaleba izay fitaizana zokiolona mba hanomezana tolotra ho azy ireo. Ny fikambanan’ny tanora hisarihana azy ireo amin’ny zavatsoa ho tonga olom-baovao. Ao ny fizaran’ny fiangonana sakafo mafana sy lamba firakotra ho an’ny mpatory an-tsena. Ankoatra izay, ny vondrona miahy ny olona mifonja, mizara vary sy lamba ho an’ny voafonja. Misy ny vondrona mariazy hanampiana ny olona hiditra amin’ny fanamasinana ny tokantrano.
Nankasitraka ny fifanampiana toy izao ny tomponandraikitry ny hopitaly, Rakotobe Nomenjanahary. Ilain’ny marary ny tohana, na ara-tsaina na ara-pitaovana, hanampy ny fikarakana efa ataon’ny dokotera.
Tatiana A




