Nahoraka fa amin’izao vaninandro fety izao no fanaovana trafik’Andramena any amin’ny Morontsiaraka, manamorona ny ranomasimbe Indianina. Nanome vahana ny “honohono” ny fanambaran’ny kolonely Gervais Andriamiarisoa, tany sambava, ny 21 novambra teo. Nilaza izy fa hojerena ny fomba ahafahana manondrana izany anatin’ny ara-dalàna sy mangarahara. Manamafy fa tsy liana amin’
izany intsony anefa ny mponina any ifotony. Fanadihadiana!
Nanaitra sy nampametra-panontaniana olona maro, indrindra ny firaisamonim-pirenena sy ny mpiaro tontolo iainana, ny fanambarana nataon’ny mpanolotsaina ambony eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Andriamiarisoa Gervais. Filazana natao ny zoma 21 novambra, tany sambava, raha nitarika ny atrikasa momba ny fandraharahana amin’ny lavanila izy, mahakasika ny fanondranana Andramena. “Ny fanjakana, tarihin’
ny filoham-panjakana, ny kolonely Michael Randrianirina, dia efa mijery ny mombamomba ny resaka andramena. Efa maro taminareo mpandraharaha aty an-toerana, ny manampahefana, ny olom-boafidy no tonga taminay teny an-dapa. Firenena tan-dalàna anefa i Madagasikara ka nomena fahefana hitarika izany ny fiadidiana ny Primatiora sy ny minisiteran’
ny Tontolo iainana. Raha hita fa azo atao izany dia ho amidy ireo tahirin’andramena. Hatao ao anatin’ny ara-dalàna sy mangaraharaha izany. Tsy hisy velively ny trafika”, hoy izy tamin’izany fotoana. Tsiahivina fa ho famaliana ny fangatahan’ny solombavambahoaka Issa Charles Ibrahim, filoha lefitry ny Antenimierampirenena izany fanambarana izany.
Efa nihetsiketsika daholo
Taorian’ny fanambarana, maro tamin’ny mpandraharaha sy ny mpanera, hatraty an-dRenivohitra, no efa nihetsiketsika. Nitady ny fomba ahafahana misehatra amin’izany. Nisy rahateo ny vaovao niely tsy hiandry izay ara-dalàna ny mpanao trafika fa hiditra an-tsehatra avy hatrany raha vao mahita hirika. Mainka nampirehitra ny fanantenan’ireo mpandraharaha ny nahatafavoaka ny fonja ny naman’izy ireo izay nivadika ho gadra politika ary efa miriaria tsy amin’ahiahy amin’izao fotoana izao.
Marihina fa ny volana desambra anatin’ny fankalazana ny fety hatrany, hatrizay, no fanaovana ny varo-maizina ny Andramena, tamin’ny andron’ny Tetezamita 2009 hatramin’ny 2014. Nahazo vahana ary afaka niantoka tanteraka ny fampandehanana ny raharaham-panjakana ny vola azo tamin’izany. Manginy fotsiny ireo lasa mpanefoefo tampoka. Nampihazakazaka ny mpandraharaha sy ny mpiara-miasa rehetra taloha hanambatra hery izany. Araka ny loharanom-baovao maromaro, manamboninahitra ambony, efa nisy mihitsy ny olona nikasa ny hamoaka entana ary nandraviravy ny mpitondra. Ireto farany anefa dia nitsipaka ny fanaovana trafika maloto amin’ny endriny rehetra. Manamafy ny loharanom-baovao fa anisan’ny tena toherin’ ny filoha dimy lahy ny fandrobohana azy ireo amin’ny afera maloto.

Tsy mahaliana ny mponina
Taorian’ny fielezan’ny vaovao sy ny fanambaran’ny kolonely, ny filoha Andriamiarisoa Gervais, dia nisy ny fidinana ifotony nataon’ny gazety tany amin’ny faritra Ambalasoa sy Analanjirofo ary tany amin’ny faritra Cap Est, Antalaha. Nilaza ny tsy liana intsony amin’ny resaka andramena ny vahoaka any ifotony. Raha ny fanadihadiana tany Maroantsetra, tsy misy tahirin’ Andramena intsony hita any an-toerana. Ny ao Mananara Avaratra kosa dia misy ny bolongana 300 mahery voageja? Araka ny filazan’ny mpitandro filaminana, saingy tsy afaka nojerena sy nalaina sary noho ny tsy fahazoan-dalàna avy amin’ny tomponandraikitra. Anisan’ny nalaza rahateo ho toeram-pamoahana ny entana fotsiny ny ao Analanjirofo hatrizay fa tsy fanapahana na fanangonana. Manoloana izany, milaza ny mponina ao Sandrakaty, ohatra, fa raha andramena efa tena tsy mahasarika azy ireo intsony. Aleon’ny mponina manao lavanila na manao jirofo. Efa tsara rahateo ny vidin’ny entana amin’izao fotoana izao. Raha ny mpamboly nanaovana fanadihadiana dia milaza fa efa tsy mahazo iray kilao amin’ny jirofo intsony vao tsy manana 20 000 Ar amin’izao fotoana izao. Vanim-potoana fiotazana ny vokatra rahateo any an-toerana. Tsiahivina fa mahatratra 40 000 taonina ny vokatra aondran’i Madagasikara isan-taona, raha ny anjara azo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Mahatratra 18 000 ny isan’ny mpamboly jirofo voasoratra anarana, ka ny 90 % amin’ireo dia any Analanjirofo sy Ambalasoa. Velarantany manodidina ny 70 000 ha no misy jirofo amin’izao fotoana izao. Marihina fa manodidina ny 225 tapitrisa dolara ny vola vahiny ampidirin’ny jirofo raha mahatratra io lanja voalaza io ny voaondran’i Madagasikara, tahaka ny tamin’ny taona 2022.
Nanantontosa: Riana Raymond




