Kaominina Fanandrana: hanodina fako 60 taonina isan’andro

Hanome asa ho an’ny tanora, hanodina fako ho lasa vokatra ilaina amin’ny andavanandron’ny mponina ny tetikasa vaovao ao amin’ny kaominina Fanandrana.

Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana mifandimby eto amin’ny Nosy. Nisitraka fitaovana lehibe ahafahana manodina fako ny tanànan’ Antsarimasina, kaominina Fanandrana, Toamasina II, ny alakamisy 19 desambra teo. Hisahana manokana ny fanodinana fako ho lasa zavatra ilaina amin’ny andavanandron’ny mponina io milina lehibe io. Ivontoerana fanodinana fako “Centre de tri de traitement et de valorisation des déchets” izay handray fako milanja 60 taona isan’andro. Hiantohan’ny fakon’ny kaominina ambonivohitra isan’andro ihany koa, izany. Nitokana io fampitaovana io ny fitondrana foibe, notarihin’ny minisi-panjakana eo anivon’ny Fiadi­diana ny  Repoblika misahana ny fanavaozana, Razafi­ma­nan­tsoa Lobo Hanitriniaina. Teo ihany koa ny minisitry ny Tontolo iainana sy fampandrosoana lovain-jafy, Mana­simanana Rafanomezantsoa Michael. Notronin’ny lehiben’ ny Faritra mpisolo toerana, ny ben’ny tanànan’i Toamasina Ambonivohitra, Andria­fano­me­zantsoa Alain, izay hiantoka zato isan-jato ny fako hampihodinana ny orinasa.
Tsy vitsy ny tombontsoa ho an’ny mpanjifa sy ny vahoaka malagasy satria hamadika an’ireo fako ireo ho vokatra azon’ny olombelona hampiasaina amin’ny fiainana andavan’andro indray izany. Ho vokarina amin’izany ny “pavé autobloquant”’, harona ekolojika, fandrehitra, zezika. Ankoatr’ireo, tsy hanam-pahasahiranana ny mponin’i Toa­masina sy ny kaominina amin’ny fanariam-pako. Voa­aro ny tontolo iainana, hisy fidiram-bola manokana ireo mpanangona tavoahangy plastika. Hanampy amin’ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro, ny fandotoana ary ny fahaverezan’ny harena voajanahary ihany koa izany. Sokajina ho tetikasa lehibe hamorona asa ho an’ ny olona maro, ambanivohitra sy an-tanàn-dehibe, ity tetikasan’ny minisiteran’ny Totolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy ity.

Sajo

Partager sur: