Nosazin’ny fitsarana ao Toamasina higadra dimy taona an-tranomaizina, sazy mihatra, ny roa lahy tamin’ireo valo voarohirohy noho ny fanaovana fitsaram-bahoaka, ny alatsinainy 22 desambra lasa teo. Mpianatra iray nirava avy nianatra “cours” lasibatry ny vono sy daroka nataon’ny andian’olona tao Mangarivotra Atsimo, parisela 11/14, ny volana avrily 2025 lasa teo. Olona valo no voarohirohy tamin’ity raharaha ity ka anisan’izany ny sefo fokontany. nampangaina ho tsy nandray andraikitra nanoloana ny olona tra-pahavoazana io sefo fokontany ao an-toerana io. Efa tafiditra tao an-tokotaniny ny olona nidaroka ilay ankizilahy saingy nitazam-potsiny izy. Ny fito hafa voampanga noho ny fanaovana vono sy ratra tamin’ilay niharam-boina. Nanomboka tami’ny 9 ora maraina ny fanadihadiana sy ny famelabelarana teo amin’ny mpitsara ambony voalohany, mpampanoa lalana, andaniny, ny voampanga. Tsy nisy afa-tsy telo lahy tamin’ireo voampanga no tonga nanatrika ny fotoam-pitsarana. Nilatsaka ny didy fa voaheloka asa an-terivozona dimy taona am-ponja ny roa lahy. Mandoa onitra 50 tapitrisa Ariary ho an’ny fianakavian’ny niharam-boina izy ireo. Raha hiverenana, hamonjy fodiana avy nanao fianarana fanampiny Razafimanana Serginot, ny voalohan’ny volana avrily ka nihazo ny lalam-pasika Magarivotra, parisela 11/14. Nisy andian-jatovo nolazain’ny olona fa nanao sinto-mahery nangalatra finday, ka ity tovolahy ity avy hatrany no nifanenjehan’ny olona na dia mbola hita ho mitazona kitapo misy fitaovam-pianarana aza izy. Raikitra ny fitsaram-bahoaka.Valo voasambotra ary naiditra am-ponja ny 7 avrily raha ny 10 avrily kosa vao naiditra vonjimaika am-ponja ny sefo fokontany. Ity farany izay efa nivoaka ny fonja, nahazo fahafahana vonjimaika, ny 14 avrily.
Sajo




