Niompana tamin’ny lohahevitra “Noely fifaliana” ny fankalazana ny fetin’ny Noely nokarakarain’ny minisiteran’ny Foloalindahy (MFA) notarihin’ny minisitra, ny Jly Razafitombo Maminirina Ely mivady, ny sabotsy teo, tao amin’ny MFA Ampahibe. Fanompoam-pivavahana no nanombohana izany. Notarihin’ny raiamandreny am-panahy eo anivon’ny fitazaim-panahy anivon’ny MFA. Nitohy tamin’ny kilalaon’ireo zanaky ny mpiasa sy ny soradihy nataon’ny fikambanan’ny vady miaramila (FIVAMI) sy ireo solontenan’ny mpiasa izany. Nisy ny hafatra maneho firariantsoa nataon’ny MFA amin’izao ankatoky ny fety izao. Nifantoka tamin’ny Lioka 2, 8 – 14 ny tenin’ Andriamanitra nitondrana ny hafatra sy ho fampitomboana hatrany ny finoana ho an’ny MFA. Nisy ny fizarana nofon-kena mitam-pihavanana ho an’ny mpiasa sy ireo ankizy, anisan’izany ireo zanaky ny mpiasa lavo am-perinasa beazina eny amin’ny Orphelinat “La Pagode”. Nohamafisin’ny MFA fa ny Krisimasy dia fety mampiray sy mampifandray ary fotoana ihany koa hifampizarana fitiavana sy tsiky sy hafanana. Nambarany fa fotoana fifamelana izao andro krisimasy izao.
Jean Claude




