Tsy mitsitsy ny minisitra! Fitarainana 15 no voaray tao anatin’ny herinandro, mahakasika ny hetsika fosika. Tanjona ny hialana amin’ny fomba tsy ara-dalàna rehetra.
Fanaovana diplaoma sandoka miisa dimy, kolikoly roa, tolotrasa na tolotra fiofanana tsy ara-dalàna iray, fandraisana mpiasa tsy ara-dalàna roa, herisetra iray, tranga isan-karazany toy ny fisehoana sandoka tsy rariny ary fanararaotana miisa efatra.
Ireo no fitarainana voaray tao anatin’ny hetsika Fosika tanterahin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika tao anatin’ny herinandro.
Nasiana fanatsarana ny tranokalan’ny hetsika Fosika mba hanamorana ny fandraisana izany fitarainana izany, fa indrindra ny fanjohiana sy fanarahana akaiky ny tranga misy.
Misy ny rafitra matipaika ao anatin’ny tranokalam-pifandraisana dia ny fametrahana hafatra miafina hahafahan’ny mpitoroka manohy ny fifanakalozam-baovao amin’ireo tomponandraikitra. http://fosika.mesupres.edu.mg/enseignants. Io no tranokala ahafahana miditra anatin’ny hetsika fosika ary misy ny lisitr’ireo mpampianatra raikitra isaky ny oniversite miaraka amin’ny diplaomany sy ny taranja nanaovany fandalinana.
Tanjona ny hisian’ny mangarahara tsy hisian’ny fitaka na fisandohana eo amin’ireo mpampianatra manolotra fampianarana na fiofanana amin’ny sekoly ambony.
Efa fanambin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny ady amin’ny diplaoma sandoka sy ireo fomba fanao tsy ara-dalàna amin’ny fandraisana mpiasa. Tafiditra amin’izany ireny toeram-pampianarana tsy ara-dalàna ireny, izay nampitaraina ny maro. Hentitra izy ireo amin’ny fanaraha-maso.
Fanadiovana miainga eny amin’ny minisitera ka hatreny amin’ny anjerimanontolo no tanjona. Ialana ny tsy fanarahan-dalàna izay asa ifarimbonan’ny rehetra. Eo koa ny fanabeazana ny olom-pirenena hahasahy hijoro sy hitoroka rehefa mahita trangan-javatra tsy mety.
Tatiana A




