Tontosa ny 20 sy 21 desambra lasa teo, tany Manjakandriana, ny lalao Fihezama 2025. Nahatratra 250 teo ny mpandray anjara nandritra izany ary efa tena nahafa-po, raha ny nambaran’ny filohan’ny Fihezama (Fitaizana ny herin’ny zatovo malagasy), Rakotovao Jacky Raymond. Nahitana lalao maro izany, ka anisany ny lalao baolina kitra, basikety, tsipy kanetibe ary ireo taranja haiady isan-karazany izay nanaovana fampisehoana. Raha hiverenana ny vokatra, nanjaka tanteraka ny mpilalao avy eto Antananarivo Renivohitra. Nivoaka ho mpandresy; nanoloana ny ekipan’i Manjakandriana; ny ekipa Tanà, teo amin’ny taranja baolina kitra, ka isa 3 no ho 2 no nahazoany izany fandresena izany. Teo amin’ny taranja basikety, mbola azon’ny ekipa Tanà hatrany ny fandresena, nanoloana ny ekipan’i Ranomafana, ka isa 80 no ho 60 no nisarahan’ny roa tonta. Tsy izay ihany fa Mbola nanjakazaka koa ny ekipan’i Tanà teo amin’ny tsipy kanetibe. Nandresy ny ekipan’Antsirabe, tamin’ny isa 13 no ho 10. Ankoatra izay, nahafa-po ny fampisehoana tamin’ireo taranja haiady maro izay natao nandritra ity lalao Fihezama 2025 ity. Nisaotra ireo nandray anjara rehetra sy ireo nanohana azy ireo ny Fihezama, tamin’ny nahatontosan’ny lalao araka ny tokony ho izy.
Mi.Raz




