Faritra avo eto Antananarivo: trano 1 490 tafo tandindomin-doza

Mandry tsy lavoloha ny mponina eny amin’ny faritra avà amin’izao orana mateti-piavy izao. Mandindona azy ireo ny mety ho fianjeran’ny vatobe handrava ny tanàna lalovany. Tokantrano 1 490 no tandindomin-doza.

Namoaka filazana maika ny BNGRC, omaly, fa trano miisa 1 490 tafo no tandindomin-doza amin’ny mety ho fianjeran’ny vatobe maromaro. Malemy ny tany vokatry ny ora-mikija misesy ary heverina tsy hahazaka ireo vatobe eo amboniny.
Vatobe milanja aman-taonina maro, hatrany amin’ny 20 isa, no hita fa efa mitriatra eny amin’ny faritra avo, araka ny fitsirihana natao. Atahorana mafy ny hampihotsaka azy tampoka ao anatin’izao andro avy orana izao.
Raha ny fanazavana nentin’ny teknisianin’ny BNGRC, na dia ny fipoahan’ny varatra na kotroka mafimafy fotsiny aza dia hampidoboka ireo vatobe efa mitatao sy mitriatra ireo.
Voakasiky ny loza mitatao ihany koa ireo manodidina ny faritra avo satria mety hikodia hatrany ambany mihitsy ny vato vao hijanona.
Trano miisa 130 tafo no ahina mafy eny Ankadilalana. Trano 170 tafo eny Ambohi­potsy, trano 110 tafo eny Fa­li­arivo, trano 320 tafo eny An­ka­zotokana Ambony, Anda­fi­avaratra sy Ambohitsiroa­vana.
Nisy ny fivoriana maika nan­dinihina ny fandraisana fanapahan-kevitra haingana ha­monjena ireo olona mipetraka amin’ny toerana tandindo­min-doza ireo. Hifarimbona ny BNGRC sy ny CUA ary ny pre­fektoran’Antananarivo amin’ ny fanatanterahana izany.
Tsiahivina fa efa nisy ny tranga fianjerana vatobe na­moizana ain’olona teny amin’ ny faritra avo, taona vitsy lasa. Nisy ny famindrana toerana ireo olona saingy niverina eny ihany izy ireo aty aoriana.
Isan-taona dia miaina amin’ ny tebiteby ireo mponina eny ambony eny. Efa nisy ny fa­metrahana saina mena mitsatoka hamantarana ireo toe­rana tandindomin-doza amin’ ny fihotsahana sy ny fianjeran’ ny vatobe mitatao.

Tatiana A

Partager sur: