Fetin’ny Krismasy: fito ny maty teo anivon’ny HJRA

Tafakatra fito ireo olona maty teo anivon’ny hopitaly HJRA nandritra ny fankala­zana ny fetin’ny Noely (24 sy 25 desambra) lasa teo, raha ny tatitra voaray, omaly. Iray hafa, faty avy any ivelany na­hiditra teny an-toerana. Telo tamin’ireo ny olona namoy ny ainy teo anivon’ny sampandraharaha famelomana aina ny 24 sy 25 desambra teo. Efatra ny maty tao amin’ny sampandraharaha vonjy aina. Ankoatra izay, nahatratra 237 ny isan’ny olona tonga nizaha fahasalamana teny an-toe­rana nandritra ny fety. Tsy maintsy nahiditra hopitaly ny 34 tamin’izy ireo. “Nitombo izany raha oharina tamin’ny taon-dasa satria 12 fotsiny ireo olona tsy maintsy nahi­ditra hopitaly tamin’y taon-dasa», hoy i Mamitiana Judi­caël, tomponandraikitry ny Serasera eo anivon’­ ny HJRA. Nahitana olona ma­rary avokoa ny sampana vonjy taitra sy vonjy aina tao amin’ny HJRA. Raha ny teo anivon’ny sampana famelomana aina, miisa fito (lehilahy enina sy vehivavy iray) ireo narary vo­katry ny fisotroana zava-pisotro misy alikaola, nandritra ny roa andron’ny fety. Vehi­vavy roa hafa koa narary noho ny fahapoizinana ara-tsakafo, ny 25 desambra.

Olona roa matin’ny lozam-pifamoivoizana
Iray ny trangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina ka nahafatesana olona roa, teny amin’ny distrika An­ta­nanarivo Avaradrano, na­n­dritra ny fetin’ny Krismasy teo, raha ny tatitra voaray avy amin’ ny polisim-pirenena, oma­­ly ihany. Nahatratra dimy ny isan’ ny vakitrano nisy teto Anta­nanarivo Renivohitra, nandritra ny 24 sy 25 desambra lasa teo. Halatra tsotra roa, hala-boty roa ary fanendahana iray. Nahatratra 27 ireo olona no­sa­vaina sy nana­ovana fanadihadiana fohy teny amin’ny kaomisaria noho ny fiahia­hi­ana ny fihetsik’izy ireo. An­ko­­atra izay, olona valo voasambotra noho ny raharaha vakitrano, fanendahana ary sinto-mahery. Manamafy ny tomponandraikitry ny filaminana fa hitohy hatrany ny fepetra rai­sina ho fiarovana ny vahoaka. Entanina ny rehetra hanaja ny lalàna sy hiara-hiasa amin’ny mpitandro ny filaminana mandritra ny fetin’ny faran’ny taona sy ny fitsenana ny taom­-bao­vao hoavy izao.

Mino

Partager sur: