Fiatrehana ny hamehana: miara-miasa ny BNGRC sy ny Jirama

Nandrindra ny asa ao anatin’ny hamehana ho fiatrehana sy fiomanana ireo vonjitaitra sy loza mety hitranga ny orinasa Jirama sy ny BNGRC. Voakasik’izany ny fanabeazana sy fanen­tanana ny mponina hanena ny trangana loza fanampiny amin’ny alalan’ny fitaizana sy fampahafantarana ireo fitan­dremana ilaina sy ny fihetsika tokony hatao manoloana ny toe-javatra mampidi-doza sy ny loza mety hateraky ny herinaratra.
Teo koa ny fanamafisana ny serasera amin’ny ankapo­beny sy ivelan’ny hamehana mikendry ny hanamafisana ny fiaraha-miasan’ny roa tonta ho fanatsarana ny fiomanana sy ny fandraisana andraikitra iombonana.
Tanjona ny fiarovana ny ain’ny olona sy ny fananany ary fanatsarana ny fomba fitantanana ny hamehana.
Raha ny tranga matetika miseho eny amin’ny fiarahamo-nina mandritra ny fotoan’ny orana dia ny fianjeran’ny andrin-jiro izay loza mitatao ho an’ny manodidina. Tokony hampahafantarina ny olona ny fiarovan-tena sy ny tokony hatao mba tsy hitera-doza, indrindra ho an’ireo ankizy. Betsaka ny fanabeazana tokony hampitaina mba hahafahana misoroka ny loza eny amin’ny fiarahamonina.

Tatiana A

Partager sur: