Kitra – « Grand Match de Defi »: vonona hanohitra ireo mpila­ravinahitra ny Disciples FC

Fararanon’ny baolina kitra ny any Toamasina, amin’ity faran’ny herinandro ity. Hotanterahina ny alahady izao, ilay fihaonana fifanandrinana eo amin’ny Disciple FC Vakinankaratra sy ireo mpilalao milaravinahitra avy atsy La Réunion sy France ary i Suisse. Ankoatra ny baolina kitra, hisy asa sosialy hataon’izy ireo.

J-1, amin’ilay «Grand match de defi », taranja baolina kitra, anio. Ra­ham­pitso tokoa no hotontosaina ao amin’ny Kianjan’i Bari­kadimy Toamasina, ny lalao baolina kitra goavana. Fiha­onana fihantsiana hifanandrinan’ny Disciples FC Vakinan­karatra amin’ireo mpilalao malagasy milaravinahitra any France sy La Réunion ary Suisse, hohatevenin’ireo Ba­rea Chan sa­sany.
Efa nanainga omaly, ary nihazo ny renivohitr’i Betsi­misaraka ny ekipan’ny Disci­ples FC Vakinankaratra. Vo­no­na tanteraka izy ireo, araka ny nambaran’i Mamisoa, mpanazatra ary handray io lalao io ho toy ny famaranana mihitsy. Tsara ny mampahafantatra fa anisan’ireo mandrafitra ny Disciples FC ireo mpilalao efa nahalalana azy hatramin’izay, toa an’i Tendry, Andy, Claude, Ryan, Bono, Donga, Drogba.

Hifanandrina amin-dry Ando Pro, Tsiry Kely, Rojo Be, Berajo, Théodin, Jimmy Si­mouri, Nicolas Thamon, Nina, Fabrice, Tojo Nirina, Bou­ra­him, ary i Jean Yves, milalao atsy La Réunion. Miampy an’i Amada Joanitto, Thino, Ziad, avy atsy France ary i Maxence sy i Mickael, avy atsy Suisse ry zalahy, amin’io “Grande match de défi”, io. Ho tazana any koa i Toldo, mpiandry tsatoby sy i Tony ary i Rado, vo­dilaharan’ny Barea Chan. Raha ny vaovao nampitain-dRabe­za­nahary Patricio, mpikarakara ny hetsika, hisy ny asa-sosialy hataon’ireo mpilaravinahitra ireo any an-toe­rana, mialoha ny lalao.
Hanokatra ny fihaonana, ny lalao ara-pirahalahiana hi­katrohan’ny Fan Barcelone sy ny mpankafy Real Madrid. Marihina fa ray mpiahy ny he­tsika, ny ben’ny Tanànan’ny faritr’i Toamasina, Andriafano­mezantsoa Alain.

Fitia R

Partager sur: