Laboratoara-CHUJRA: karazany maro ny fitiliana azo atao

Mitondra fanazavana ho an’ny olona mankeny amin’ny laboratoaran’ny hopitaly ny profesora Razanakolona Mialy, lehiben’ny sampandraharahan’ny laboratoara microbiologie, parasitologie et mycologie ao amin’ny CHU JRA. Ao amin’ny rihana voalohany no misy ity sampandraharaha ity. Mizara roa ny an­drikitra: ny fitiliana sy ny fampiofanana.
Mizara telo ny otrikaretina tilina ka anisan’izany ny fitadiavana ny otrikaretina vokatry ny loto sy ny fitadiavana ny mikraoba mahatonga fana­viana maharitra amin’ny vatan’ ny olona.
Tadiavina ihany koa ny an­tibiotika manasitrana ma­mono ilay mikraoba. Misy mikraoba jerena any anaty rehoka na tsiranoka…
Maharitra herinandro ny valin’ny voka-pikarohana satria ambolena ny mikraoba ary tadiavina ny fanafody ma­mono azy.
Misy ny fitiliana ny bibikely manaikitra ny olombelona, ny fitadiavana ny karazana kan­tsetsitra na kankana mandritra ny sakafon’ny olombelona any anatiny. Fitiliana ny fivalanana no hanatanterahana izany. Iray andro ihany dia mivoaka ny vokatra.
Mitily ny aretina vokatry
ny bobongolo (champignon) ihany koa ny laboratoara. Mety maniry amin’ny volo, hoho, avokavoka, maso… izany. Maharitra iray volana ny valim-pitiliana satria ampaniriana ny bobongolo.

Tatiana A

Partager sur: