Vita izay ny lanonana baolina kitra natao tao Toamasina. Tsy nisy nivoaka mpandresy tamin’ity « Grand match de défi » ity na ny Disciples Fc Vakinankaratra na ny mpilaravinahitra. Nisaraka ady sahala, 0 no ho 0, ny roa tonta.
Notontosaina omaly, tao amin’ny Kianjan’i Barikadimy, Toamasina, ny lalao baolina kitra goavana, « Grand match de défi ». Nisaraka ady sahala 0 no ho 0 ny ekipan’ny Disciples FC Vakinankaratra sy ny mpilaravinahitra, niampy ireo mpilalaon’ny Barea chan farany teo. Raha hiverenana ny fifanandrinan’ ny roa tonta. Nifandimbiasana ny fanafihana teo amin’ny andaniny sy ny ankilany. Minitra faha-35, fizaram-potoana voalohany, saika nahatafiditra baolina ny mpilaravinahitra, saingy azon’i Balvano, mpiandry haraton’ny Disciples FC, ny dakan’i Fabrice sy i Jean Yves. Roa minitra tsy hidirana any amin’ny fialantsasatra, nahita fanafihana tsara ny mpilalao avy atsy Vakinankaratra, nefa tsy voatosik’ireo lohalaharana tany anaty harato izany, na dia efa tsy azon’i Nina, Malagasy mpiandry harato ao La Réunion, aza ilay tolotra tsara avy amin’i Tsila. Ady sahala 0 no ho 0, ny isa teo amin’ny fe-potoana fialantsasatra. Teo amin’ny fidirana faharoa, nanindry tamin’ny fandonana baolina ny klioba avy ao Vakinankaratra. Maro ireo baolina saika nakoban-dry Tendry, Tsila ary i Dahery sy Tinoh. Nahazo karatra mena i Baggio, Malagasy milalao atsy La Réunion, ny faha-58 minitra, fidirana faharoa, rehefa nomen’ny mpitsara karatra mavo fanindroany. Nihena ho folo ny isan’ireo mpilaravinahitra. Folo minitra taorian’ io nahazo karatra mena koa i Joma, rehefa nahazo karatra mavo indroa. Nifarana tamin’ io isa 0 no ho 0 io moa ny lalao.
F.R
Hoy izy ireo:
Ny coach Frank Rajaonarisamba, mpanazatra an’ireo mpilaravinahitra:
« Niady ny lalao, samy nahazo avokoa na ny Disciples FC na ny mpilaravinahitra. Isaorana ireo mpilaravinahitra nahavita baolina tahaka ireny na dia ao anatin’ny fialantsasatra aza».
Razafindrakoto Mamisoa, teknisianina voalohany Disciples Fc:
« Isaorana ny mpifanandrina nanome traikefa an’ireo ankizy. Tsara ho anay ireny lalao ireny. Vonona izahay ny hanatratra ny tanjona, hiezaka ny hanao pao-droa: haka ny tompondakan’i Madagasikara sy ny amboara nasionaly. »
Rabezanahary Patricio, mpikarakara ny hetsika:
« Afapo tanteraka tamin’ny hetsika ny tenako, azo lazaina ho nahafeno kianja ihany iny lalao iny, ary izay indray vao nisy fihaonana nahatonga mpijery maro tahaka ireny. Ny taona manaraka, raha tsy misy ny fiovana, hisy klioba avy any ivelany, hifandona amin’ny ekipa avy eto an-toerana. »




