Raha ny tombana avy amin’ ny foibe famantarana ny toetry ny andro, mbola hitohy ny rotsakorana eto Antananarivo. Nidina ifotony ny BNGRC sy ny mpiantsehatra rehetra amin’ ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza momba ny fihotsahan’ny tany eny amin’ ny vohitr’i Manjakamiadana, ny faran’ny herinandro teo. Ao anatin’ny fotoam-pahavaratra tahaka izao, nanomboka ny volana novambra lasa teo, mandefa ekipa teknika mitsirika ifotony ny zava-misy eny an-toerana ny tomponandraikitra. “Tsapa fa efa manomboka vonton-drano ny tany
ary hita ireo fambara ifotony momba ny mety ho fihotsahan’ny tany. Mitsika any ambanin’ny tany ny rano ka ambony ny tahan’ny hamandoan’ ny tany ary ambony manaraka izay ny faharefoana. Hiakatra, noho izany, ny ambana eny an-toerana amin’ny ilany atsinanana sy andrefana”, hoy ny mpanolotsaina teknika ao amin’ny BNGRC, Dr Andriamirado Lalah.
Ao anatin’ny asa fisorohana ny ekipa amin’izao fotoana izao, napetraka ny « Sirène » hanamafisana ny filazana fanairana ho an’ny olona rehetra mipetraka amin’ny faritra ahina hihotsaka, ahafahana manamora ny fomba fifindrana. Entanina ireo olona afaka mifindra satria rehefa mirotsaka be ny orana ka maneno ny « Sirène » mampilaza ny loza mihatra (alerte rouge), tsy maintsy miala daholo ireo mponina voakasika. Trano1 490 no voakasika sy tandindonin-doza amin’ny fihotsahana ary ny 450 amin’ ireo tena akaiky ny ambana.
Vonjy




