Judo – «Coupe de Mada» Mpikatroka 252 Tonga tany Toamasina

Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, tany Toama­sina, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja judo, ho an’ny sokajy Minimes, Cadets, Juniors ary Seniors. Mpi­katroka 252 avy amin’ny klioba 24, manerana ny ligy 6, no tonga nandray anjara nandritra ity fifaninanana ity, ka lehi­lahy ny 142 amin’izy ireo ary vehivavy kosa ny 110. Raha ny vokatra, hita taratra fa mbola manana ny toerana ireo mpikatroka efa fantatra sy re matetika toa an-dRasoanaivo Razafy Laura, izay tompondaka teo amin’ny latsaky ny 70 kg. Andri­ambololona Zo Hajanirina, tompondaka teo amin’ny latsaky ny 78 kg. Ralalaharisoa Malalatiana Frédérica, tompondaka teo amin’ny latsaky ny 63 kg. Rakotovao Narindra, tompondaka teo amin’ny latsaky ny 52 kg. Razafindrakalo Natacha, tompondaka teo amin’ny 48 kg. Benandro Romaica, tompondaka teo amin’ny latsaky ny 57 kg. Ho an’ny sokajy lehilahy indray. Ravelojaona Rayan, tompondaka teo amin’ny latsaky ny 73 kg. Ralevazaha Kevin Emilson, tompondaka teo amin’ ny latsaky 66 kg. Ranaivoarisoa Fetra, tompondaka teo amin’ ny latsaky 81 kg. Nambaran’ny filohan’ny Federasionina ma­lagasin’ny judo, Bruno Said Eric, fa nahitana fiakarana ny haavo teknikan’ny mpikatroka tamin’ity. Mbola mitazona ny anarany ireo mpikatroka tranainy kanefa miakatra tsikelikely ihany koa ireo taninketsa.

Mi.Raz

Partager sur: