Ny tsiokan’ny talio, amin’ny ankapobeny, no handrafitra ny toetry ny andro saika manerana ny faritra maro eto amin’ny Nosy, ato anatin’ny roa andro. Noho izany, hahazo vahana ny oram-baratra. Vinavinaina hanatombo hatrany ny rotsakorana any amin’ny afovoany andrefana sy afovoany atsinanan’ny Nosy. Tombanana hiitatra ho an’ny afovoantany izany, ny fiandohan’ny herinandro. Vinavinaina hahatratra 40 hatramin’ ny 80 mm ny tahan’ny rotsakorana ao anatin’ny 24 ora. Omaly, nanan-kery ny fampitandremna no ho ny habetsahan’ny rotsakorana ho an’i Maintirano. Niitatra hatrany an’Anosibe An’Ala, Moramanga, Marolambo, Mahanoro, Manampotsy ary Vatomandry izany. Ho an’ny anio kosa, ho an’Analamanga, Arivonimamo, Ambatolampy ary Antanifotsy. Mety hisy ny fikorontanan’ny asa aman-draharaha andavanandro sy ny fiandronan’ny rano amin’ireo toerana mora tondraka. Eo koa ny fiakaran’ny renirano, ny fihotsahan’ny tany sy ny lalana amin’ireo toerana marefo. Nahazo fampitandremana miloko mena i Maintirano, Anosibe An’Ala, Moramanga, Marolambo, Mahanoro sy Manampotsy ary Vatomandry. Fampitandremana miloko mavo kosa ho an’Analamanga, Arivonimamo, Ambatolampy ary Antanifotsy.
Vonjy




