Mafana ny fifanintsanana “Can 2025”, atao any Maroc, amin’izao fotoana izao. Efa tsara toerana sy tafita hiatrika ny dingan’ny ampahavalon-dalana fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, i Egypte, Nigeria ary i Algérie. Samy nahita fandresena roa avy tamin’ny fihaonana isam-bondrona, izy ireo.
Mbola mitady isa sy fandresena kosa ny mpilalaon’i Comores, izay tsy nahita afa-tsy isa iray nandritra izay fihaonana efa vita. Ankoatra ny ekipa kaomorianina, mbola mitady isa entina hiakatra ao amin’ny dingana ambony ny Lion de l’Atlas, Maroc, ny elefantan’i Côte d’Ivoire, tompondakan’ny Can farany.
Ankoatra izay, hifanindry an-dalana avokoa ny fihaonana handeha amin’ity andro faran’ny fifanitsanana isam-bondrona ity. Fifanandrinana tena andrasan’ny maro ny lalaon’i Bénin sy Sénégal, ao amin’ny vondrona D. Mbola mitana ny laharana farany ao amin’ity sokajy misy azy ity i Bénin.
F.R
Ireo fandaharam-potoana anio
7 ora hariva:
Ouganda sy Nigeria
Tanzanie sy Tunizie
10 ora alina :
Botswana sy RD Congo
Bénin sy Sénégal




