Faritra Vakinankaratra: hitadiavam-bahaolana ny olan’ny tany

“Asa maika indrindra, hitadiavam-bahaolana ny olana ara-tany sy ny famariparitan’olona ny tanim-panjakana eto Antsirabe”, hoy ny lehiben’ny Faritra Vakinankaratra mpisolo toerana, Ravaonirina Nathalie Sebastienne, nandritra ny fandraisany ny andraikitra vaovao tao Antsirabe, ny herinandro lasa teo. Hanao izay tratry ny heriny koa izy, raha ny nambarany, ho amin’ny fampandrosoana ny vahoaka amin’izao va­nim-potoan’ny fanavaozana eto amin’ny firenena izao. Mi­sokatra ho amin’ny fifampiresahana, fifanampiana ary fandraisana torohevitra ny tenany, indrindra avy amin’ireo manana fitiavana manokana ny faritra. Hiara-mametraka ny fampandrosoana tena izy no tanjona ary hipaka tanteraka amin’ny tombontsoan’ny vahoaka, araka ny voalazany. Maro ireo manam-pahefana nanome haja ny lanonana.
Zanak’i Vakinankaratra, avy ao Antanifotsy, ny lehiben’ny Faritra Vakinankaratra mpisolo toerana. Mpitantana fahavalo, voatendry tamin’ny alalan’ny didim-panjakana, izy. Tao anaty filaminana no nanatanterahana ny famindran-draharaha amin’ny fitantanana ny Faritra teo aminy sy ny sekretera jeneraly nitantana vonjimaika izany, Rakotonirina Ida Jacqueline.

Vonjy

Partager sur: