Judo-“Coupe de Mada”: lohalaharana hatrany ny klioban’ny Esca

Nisongadina ny Judo club Esca, nandritra ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara natao tany Toamasina. Nandray anjara ny klioba 24 avy amin’ny ligy 6 manerana ny Nosy.

Klioba sangany sy tsy mbola lefy laza, hatreto, ny Judo club Esca, raha eo amin’ny fifaninanana eto an-toerana. Nitana ny laharana voalohany indray izy ireo, nandritra ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara notontosaina tany Toamasina, ny faran’ny herinandro teo. Medaly 35 no norombahin’ny mpikatroka avy amin’ny Judo club Esca, ka volamena ny 16, volafotsy ny 7 ary alimo ny 12. Ny fanomanana sy fanazarantena izay nohamafisina hatrany no anton’ny fahombiazana, raha ny nambaran’ny mpikatroka. Teo koa ny fiatrehana fifaninanana iraisam-pirenena maromaro tamin’ity taona ity ho an’ny klioba, izay nahafahana nahazo traikefa sy nanatsara ny teknikan’ny mpikatroka. Tsiahivina fa efa taona maro nisesy izay no nandrombahan’ity klioba ity ny laharana voalohany tamin’ny fiadiana ny amboaran’i Mada­gasikara sy fifaninanam-pirenena toa izao ary voatazony hatrany izany. Eo amin’izay vokatra izay ihany, laharana faharoa ny klioban’ny Saint-Michel, izay nahazo medaly 21, ka volamena ny 6, volafotsy ny 9 ary alimo ny 6. Laharana fahatelo, ny klioban’ny Asco Toliara, klioba mihoatra tanteraka raha ny vokatra azon’ireo mpikatroka satria medaly 12, ka volamena ny 5, volafotsy ny 2 ary alimo ny 5.

Mi.Raz

Partager sur: