Noho ny asaramanitra, tsy nanadino ny mpilalao ao aminy ny tomponandraikitry ny fileovana Rosa club de l’Imerina III G Hangar Antohomadinika. Omaly, tetsy amin’ny tokontany EKAR Antohomadinika, notolorana fanomezana, “panier garnis”, sy lelavola ireo mpilalao sy mpitantana miisa 110 mianadahy mianaka, hiatrehany ny fety. Nanome izany, i Lock Hong Maxime sy Rabetsivoh Claudia vadiny, mpitantana ny ekipa. Nirary soa ho an’ny fianakavian’ny mpilalao izy ireo, hanao fety sambatra sy hahatratra ny taona vaovao 2026. Tsiahivina fa tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-65 taonan’ny Rosa club ny hetsika. Tanjon’ny ekipa ho an’ny taona 2026 ny handrombaka ny “Top 20”. Izy ireo rahateo no mitarika ao amin’ny vondrona misy azy. Namoaka mpilalao sangany maro ny RCI, toa an’i Zo sy i Jaona ary i Jacquis. Eo koa ireo teknisianina sangany mitondra ny Makis an’i Madagasikara, anisan’ireny i Eric chef. Tsy ny fanaovana rugby ihany no sahanin’ity fileovana ao Antohomadinika ity fa ny asa sosialy koa, toa ny fanadiovana tanàna, ny fanentanana amin’ny fahasalamana sy ny ady amin’ny herisetra sy ny fidorohana zava-mahadomelina. Miara-miasa amin’ny Rosa club de l’Imerina ny orinasa Imex sy ny NCE ary ny MBT.
Tompondaka




