“Can 2025”: nihintsana ny ekipa nasionalin’i Comores

Izay aloha no vita! Nifa­rana afakomaly, ny dian’ny Coela­canthes Comores, amin’ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra, “Can 2025”, tanterahina atsy Maroc ity. Nisaraka ady sahala, 0 no ho 0, ny fihaonana teo aminy sy ny Aigle de Mali, nan­dritra ny andro faran’ny fifanintsanana isam-bondrona, “A”.
Raha nahita fandresena teo anatrehan’i Mali ry zareo, azo nantenaina ihany ny hiakarany any amin’ny dingana manaraka. Araka ny fikaro­hana natao, isa roa no azon’ izy ireo, ary nidirana baolina roa. Marihina fa tsy nahatafiditra baolina mihitsy ny Coela­can­thes nandritra ity fifanin­tsanana afrikanina ity.
Tsy ao anatin’ny lisitr’ireo firenena laharana fahatelo tsara indrindra ihany koa ny kaomorianina. Miisa efatra nefa ireo firenena laharana fahatelo mendrika afaka miatrika ny dingana manaraka. Ankoatra izay, mbola mipe­traka ho “favoris” amin’ity Can ity hatrany ny Lion de L’Atlas Maroc, mpampiantrano. Na­na­o­van’izy ireo fampisehoana mihitsy i Zambia, rehefa no­montsanin’ny tamin’ny isa
3 no ho 0.
Ankoatra an’i Egypte, i Nigeria, i Algérie, dia i Afrika Atsimo, sy Maroc ary i Mali no efa miandry ny ampahavalon-dalana, taorian’ny vokatra azo afakomaly.
Tsara ny mampahafantatra fa hotontosaina manomboka ny 3 janoary ho avy izo, ny lalao ampahavalon-dalan’ity fifaninanana ity.

Fitia Randria

Partager sur: