Tsipy kanetibe Analamanga: amin’ny 24 janoary ny fivoriambe

Tsy miandry ela fa miditra amin’ny asa avy hatrany ny filohan’ny ligin’Analamanga, taranja tsipy kanetibe vaovao, Andriantsiferana Ravaka. Hisantatra ny fandaharam-potoany ho an’ny taona 2026 ny fivoriambe. Araka ny tati-baovao avy aminy, hotanterahina ny sabotsy 24 janoary izany. Io ihany koa no fihaonana amin’ireo klioba rehetra mivondrona ao anatin’ny ligy ary ho fampahafantarana ireo mpikambana rehetra mandrafitra ny ligin’Analamanga. Ho tapahina, mandritra izany, ny daty hanombohan’ny taom-pilalaovana ho an’Ana­lamanga, ny fitsipika mifehy sy ny mahakasika ireo fifanina­nana isan-tokony. Ao anatin’ny fandaharanasan’ity ligy vaovao ity ny fanomezana sehatra ireo mpilalao hita eny rehetra eny, ka tarihina hiditra ao anatin’ny ara-dalàna. Hamerina indray ireo anaram-boninahitra amin’ny sokajy rehetra izay misy tsy azon’Analamanga mihitsy ny ligy. Hivelatra amin’ny ankolafin-kery samihafa izy ireo ka hahazo sehatra hifaninanana koa ireo mpanohana sy mpiara-miasa ary ny mpanao gazety ara-panatanjahantena.

Tompondaka

Partager sur: