CAN 2025 – PANTHERES GABON : Natsahatry ny minisiteran’ ny fanatanjahantena

Mandalo krizy mavaivay ny baolina kitra Gaboney, taorian’ny faharesena intelo misesy ny Pantheres, ekipam-pirenena. Lasa raharaham-pirenena mihitsy izany ka nandray fanapahan-kevitra entitra ny fitondram-panjakana any an-toerana nandrava ny ekipa teknika ary nampitsahatra ny ekipam-pirenena.

Nisarika ny sain’ny mpanara-baovao ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika amin’ny baolina kitra (Can 2025), tanterahina any Maroc, ny olan’ny Panthères ekipam-pirenen’i Gabon. Fantatra mantsy fa taorian’ny faharesena intelo misesy ka nahararaka azy ireo, nilatsaka ny sazy mavesatra avy amin’ny governemanta gaboney.
Noho io vokatra ratsy io, notapahin’ny fitondrana, ny alakamisy 1 janoary lasa teo, tamin’ny alalan’ny minisitry ny fanatanjahantena misolo toerana, Dr Simplice Désiré Mamboula ka nandrava ny ekipa teknika ary nampitsahatra ny Panthères tsy handray anjara amin’ny fifaninanana intsony mandritra ny fotoana tsy voafetra. Ankoatra izay, nesorina i Aubameyang sy i Bruno Ecuele Manga, noho ny familafilana nataon’izy ireo. Andrasana ny ho valin-tenin’ny federasionina iraisam-pirenena (Fifa) satria fitsabahana andraikitra izao ataon’ny governemanta gaboney, amin’ny ekipam-pirenena sy ny federasionina izao.
Mandra-piandry izany, hitohy anio sabotsy sy rahampitso alahady ny fifaninanana rehefa niato nandritra ny taom-baovao sy omaly zoma. Hiditra amin’ny dingana ampahavalon-dalana ireo ekipa 16 tafita amin’izany.
Fihaonana roa no hisantatra izany ka hifandona voalohany i Senegal sy i Soudan. Lalao hotanterahina ao Grand Stade de Tanger. Tsiahivina fa laharana fahatelo tao amin’ny sokajy nisy azy i Soudan. Aorian’io kos,a hifanandrina i Mali sy i Tunisie ao Stade Mohammed V ao Casablanca. Lalao tena andrasan’ny rehetra satria ho toy ny famaranana kely mialoha ny fotoana ny azy ireo. Hitohy ny alahady ny lalao ka hifanandrina i Maroc sy i Tanzanie ary i Afrika Atsimo sy i Cameroun.

Tompondaka

Partager sur: