Baolina kitra – CAN 2025 : Tafita ny voromaherin’i Mali sy ny lionan’i Teranga Senegal

Senegal sy Mali no firenena roa voalohany tafita amin’ny dingana ampahefa-dalana, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2025), taranja baolina kitra. Efa tany amin’ny fandakana ny « tirs au but », vao nivoaka ho mpandresy ry zareo Malianina nanoloana an’i Tunisie. Senegal kosa nanilika an’i Soudan.

Tontosa ny sabotsy lasa teo ny lalao ampahavalon-dalana roa amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra (Can 2025). Nivoaka ho mpandresy ny voromaherin’i Mali sy ny Lionan’i Teranga Senegal. Tao amin’ny kianja Batouta Stadium, Tanger Maroc, resin’i Senegal, tamin’ny isa mazava 3 no ho 1 ny Crocodiles de Nil Soudan.
Nanokatra ny isa voalohany i Amir Ibrahim, ho an’i Soudan, tamin’ny alalan’ny daka tsara petraka (6 mn). Totoafo avy eo ny fanafihan’i Senegal, notarihn’i Sadio Mane. Betsaka ny baolina tokony ho tafiditra fa nahay ny mpiandry tsatoby sodaney. Na izany aza, nosahalain’i Pape Gueye ny isa (29 mn). Tsy nijanona teo fa mbola nampiany indray izany teo amin’ny fanampim-potoana (90 + 4). Nitarika 2 no ho 1 i Senegal teo am-pialantsasatra.
Fidirana faharoa, niezaka nanafika ny sodane. Minitra faha-75, tokony ho sahala ny isa saingy tratry ny fikoropahana ny lohalaharana ka nivoaka ny baolina. Taorian’ izay, nahazo valim-panafihana ny Liona ka nahafaty ny baolina fahatelo i Ibrahim Mbaye, izay nahalavo tanteraka ny Crocodiles.
Efa tany amin’ny fandakana ny «tirs au but», 3 no ho 2 kosa vao afaka i Mali nanoloana an’i Tunisie. Nisaraka ady sahala 1 sy 1 ny roa tonta tao anatin’ny 90 mn nilalaovana sy ny fanalavam-potoana. Nilalao 10 i Mali nanomboka teo amin’ny minitra faha-26 taorian’ny karatra mena azon’i Coulibaly. Tunisie namono baolina voalohany vitan’i Chaouat (88 mn). Efa tany amin’ny fanampim-potoana (90 + 7) vao sahala an’i Sinayoko izany. Hidona eo amin’ny ampahefa-dalana iza­ny i Senegal sy i Mali. Hitohy anio kosa ny fihaonana ka hikatroka i Nigeria sy i Mo­zam­bique ary i Algerie sy RD Congo.

Tompondaka 

Partager sur: