Aza atao ranotrambo ny firarian-tsoa
Rehefa miandoha tahaka izao ny taona, manao be fiavy ny firarian-tsoa. Eo koa ny filazana tetikasa hatao. Misasasasa sy misosososo ary misesisesy izany kanefa aza atao ranotrambo be fiavy fa mora ritra. Tsara tokoa ny mifampirary soa fa izany no fanalahidy amin’ny fiainana. Matetika anefa toa zary fomba fotsiny sisa ka toa ranotrambo be fiavy fa mora ritra. Ny firarian-tsoa tsara indrindra anefa dia ny mamela tantara tsara ary mampita ny fanilo amin’ireo ambioka antoky ny ampitso. Ka aleo tsy manao ranotrambo be fiavy fa mora ritra.
Tsy misy hijanona mandrakizay eo amin’ny fitantanana ny federasionina na ligy na minisitera na fikambanana mantsy fa mandalo ihany. Satria, ny hazo misolo hazo ary ny olona misolo olona ka ny mamela vokatra tsara no mendrika indrindra. Ny tsiry tanora singotry ny aina, mbola mandimby izay nolovain’ny teo aloha. Ny firarian-tsoa lavorary indrindra ny tsy mety arenina, ny mitongilana arenina ary ny mivilana ahitsy. Koa ndeha tsy atao tahaka ny ranotrambo ny firarian-tsoa ka ho be fiavy fa mora ritra.
Koa jakohy ny famindra, talahoy ny fandeha fa marivo saro-tsobohina ny rano. Ny mitandri-pamindra tokoa mantsy tsy mba solafaka koa ndeha handrindra ny fiarahamonina fa tsy hifandray ho toy ny mpifahavalo. Amin’ny fifaninanana, tsy maintsy misy ny resy ary misy ny mpandresy. Irariana soa ho tonga lavitra ny mpandresy, irariana soa hahavita hanarina ny resy ka tsy ho ranotrambo ny firarian-tsoa, be fiavy fa ho mora ritra. Ka aleo ho latsaka anaty tahaka ny tsoka izany fa tsy hisomidika ivelany tahaka ny menaka. Hirariana ho taonan’ny fahombiazana ho an’ny fanatanjahantena anie ity 2026 ity.
Tompondaka




