Ho fiarovana amin’ny mety ho fiparitahan’ny aretina Mpox dia miverina ny sakana ara-pahasalamana rehetra nampiharina tamin’ny fotoan’ny Covid19. Ho an’ireo mpianatra hiverina an-tsekoly, mila hafaran’ny ray aman-dreny tsara amin’ny fihetsika sy sakana ara-pahasalamana rehetra. Tsy tokony hohadinoina ny mampitondra ny Gel fanasana tanana ho an’ny ankizy, ny arovava orona ary ny hafatrafatra amin’ny tsy tokony hifampitakosona loatra.
Toraka izany ireo hanao fifampiarahabana tratry ny taona rehetra sy tokony hifanorokoroka eny fa na ny mifandray tanana aza dia mahasadaikatra rehefa misy valanaretina haingam-pifindra toy izao.
Hajaina ny elanelana, manasa tanana matetika amin’ny rano sy savony ary manao arovava orona no anisan’ny fisorohana tsotra sy atao mahazatra. Manatona tobim-pahasalamana haingana raha misy tsy fahasalamana mampiahiahy na ami’ny ankizy na ny olon-dehibe indrindra amin’ireo marefo toy ireo taizan’aretina, zokiolona ankizy madinika, vehivavy bevohoka…
*
Tatiana A




