INDRAY MIJERY

Miverina an-tsekoly ny mpianatra manomboka anio miatrika ny roa volana fahatelo sahady amin’ny taom-pianarana 2025-2026. Any amin’ny fialantsasatry ny Paska indray vao misy fiatoana kely. Mila mitadrina any am-pianarana manoloana ny fiparitahan’ny aretina nendren-drajako.

Nidina ifotony teny amin’ny fokontany Manjaka­miada­na ny tale jeneralin’ny BNGRC, ny jeneraly Ramanantsoa Gabriel ny faran’ny taona teo. Nijery ny fanaraha-maso ny fepetra noraisina rehetra amin’ny fisorohana ny loza manambana izy ireo ary nanao antso ho an’ny mponina manodidina hanaraka ny fandaminana rehetra apetraka ho fisorohana ny loza manambana.

Nandray ireo fampitaovana sy akora vinan’ny 2025, ahafahana manao fampiharana ny ivontoeram-panofanana roa eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Tonga nitsidika ny ivontoeram-panofanana ho an’ireo olona manana fahasembanana CNFPPSH ao Ampan­drianomby sy ny ivontoeram-panofanana ho an’ny vehivavy CFPF ao Tsimbazaza, ny minisitry ny Fampi­ana­rana teknika sy ny fanofanana arakasa. Tanjon’ny fampitaovana ny hampivelarana ny fahaiza-manaon’
ireo mpiofana ka hampiakatra ny tahan’ny fampananan’asa.

Partager sur: