Hotanterahina ny 7 sy 8 febroary izao, any Paris, ny “Grand Slam de Paris”, taranja Judo. Tsy diso anjara amin’izany i Madagasikara fa hanana solontena, hahitana an-dRasoanaivo Razafy Aina Laura, hifaninana eo amin’ny sokajy latsaky ny 70 kg . Sokajy hahitana mpifaninana 20 ka anisan’ny ao anatin’izany i Ozbas Szofi, laharana faha-4 maneran-tany sy i Tsunoda Roustant Ai, laharana faha-6 maneran-tany. Hiaro ny voninahi-pirenena amin’ity fifaninanana ity ihany koa, Andriambololona Zo Hajanirina, sokajy latsaky ny 78 kg, izay vao nandrombaka ny medaly volafotsy nandritra ny “African Open d’Abdijan” natao tany Côte d’Ivoire, ny volana desambra teo. Hahitana mpifaninana 15 amin’io sokajy io, amin’ity “Grand Slam de Paris” ity. Raha ny fandaharam-potoana, ny alahady 8 febroary ireto solontena malagasy ireto no hiakatra tatami ka hiaro ny voninahi-pirenena. Tsiahivina fa ity no fifaninanana iraisam-pirenena voalohany, ho an’ny taona 2026 handraisan’i Madagasikara anjara.
Mi.Raz




