Taranja Basikety : Misedra olana ny fifidianana any amin’ny ligin’Atsimo Atsinanana

Araka ny loharanom-baovao mari-pototra, misedra olana ny fifidianana izay ho filohan’ny ligy any Atsimo Atsinanana, izay tsy mety tanteraka mandraka ankehitriny. Efa intelo izao no niova ny daty tokony nanatanterahana izany ary nahitana fihemorana hatrany. Ny 27 desambra lasa teo no daty voalohany voatondro nanaovana io fifidianana io, nihemotra ny 30 desambra izany ary farany dia ny 31 desambra saingy tsy tanteraka hatrany. Antony iray ihany raha tena zohina no anton’ny fanemorana dia ny tsy fahefenon’ny fepetra ho an’ireo mpirotsaka hofidina, miisa 3, izay tsiahivina fa 4 no nirotsaka. Ilay filoha am-perinasa ihany no voalaza fa nahafeno fepetra. Teo no nampametra-panontaniana ireo 3 ambiny ny antony tsy maha ara-dalana azy ireo. Namaly ireo komity fa mbola tsy nandinika ireo antotan-taratasy izy ireo fa vao handinika. Nangataka ny Federasionina malagasin’ny basikety (FMBB) mba hijery akaiky izao toe-javatra izao moa ireo mpirotsaka hofidina miisa 3 ireo. Saingy, raha nanontaniana ny avy amin’ny federasionina dia nilaza fa tsy mitsabaka amin’ny fifidianana fa anjaran’ny rafitra any an-toerana no manatontosa izany.

Mi.Raz

Partager sur: