Nitondra ny tatitra momba ny valanaretina nendran-drajako na Mpox ny dokotera, Rakotoarimino Andrianina Desiré, tale jeneralin’ny fisorohana ara-pahasalamana eo amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.
40 ireo tranga mampiahiahy hita amin’izao fotoana raha ny tatitry ny minisitera navoakan’ny dokotera Rakotoarimino Andrianina Desiré. Ny 34 amin’ireo dia any Mahajanga avokoa. Ny 2 eto Analamanga, 2 any Vakinakaratra, 1 any Itasy ary 1 any Diana.
Raha ny fitiliana efa nivaly dia 5 no efa voamarina fa tena tratran’ny nendran-drajako ary ao Mahajanga avokoa izany. Efa nahiboka ireo ahina sy efa voaporofo fa voa ireo mba tsy hanaparitaka ny aretina. Noraisin’ny fanjakana an-tanana ny fikarakarana ny tranga misy fahasarotana.
Fambaran’aretina mety hiseho ny fanaviana be, misy atody tarimo ary misy bokaboka ny hoditra sady haingana be ny fifindrany. Amin’ny alalan’ny fitiliana any amin’ny laboratoara ihany anefa no hanaporofoana fa tena Mpox no mahazo ilay olona fa tsy azo hatao tomba-maso. Toy ny tranga tany Ampefy, voaporofo fa aretin-koditra tsotra no hita tamin’ilay marary.
Ho fifehezana ny aretina, napetraka eny amin’ny toeram-piantsonan’ny fiarakodia ny fanaraha-maso ara-pahasalamana. Toraka izany ny sakana ara-pahasalamana eo Belobaka. Jerena ny mpandeha rehetra ka ahiboka ireo ahitana tranga ahina fa mitondra ny Mpox. Famendrahana fanafody amin’ny fiara rehetra mianga ao Mahajanga tsy maintsy atao.
Napetraka ihany koa ny barazy ao Ankazobe niarahana tamin’ny faritra Analamanga. Tanjona ny iarovana ny olona aty amin’ny faritra Analamanga ka mandalo fizaham-pahazalamana avokoa ireo avy any Mahajanga tonga eo Ankazobe. Hapetraka koa ny sakana ara-pahasalamana eny amin’ny faritra Atsimondrano. Tsy maintsy hisy matetika ny fizaham-pahasalamana izay itakiana ny faharetan’
ny rehetra mba ho fiarovana ny vahoaka.
Efa natsangana ny rafitra ifarimbonana amin’ny ady amin’ny fiparitahan’ity aretina ity any Mahajanga. Nohamafisina ny fitsirihana any amin’ny seranam-piaramanidina sy ny moron-dranomasina ary ny seranan-tsambo. Misy ny ekipa manara-maso ny olona mivoaka sy miditra.
Tatiana A




