Amin’ity taona vaovao 2026 ity, betsaka ireo vaovao andrasan’ny mpankafy ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF). Ao anatin’izany ny fankatoavana ny Kianja Barea Mahamasina, ny fanovana ny sata mifehy ny federasionina, ny tohin’ny asan’ny mpanazatra Barea.
Vaovao maro sy mafonja no handrasana, mandritra ny taona 2026ho an’ny taranja baolina kitra ity. Anisan’ny akaiky indrindra izao, ny fitohizan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), sy ny mpanazatran’ny Barea A, Corentin Martins, frantsay. Raha tsiahivina, hifarana ny faran’ny volana janoary ho avy io ny fifanarahana eo amin’ny roa tonta.
Hatramin’ny omaly, tsy mbola nisy vaovao ofisialy manambara ny mety ho fitohizan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta, saingy raha ny vokatra no jerena, azo hantenaina ihany ny mety hitohizan’ny asa ho an’ity teknisianina frantsay ity. Tsy izany ihany anefa, fa mbola andrasan’ny mpankafy ihany koa, ny momba ny fankatoavana ny Kianja Barea Mahamasina.
Nanomboka ny taona 2024, tsy nahitan’ny Malagasy lalao iraisam-pirenena tao amin’io kianja io. Efa ao anatin’ny fanamboarana tanteraka ny fanjakana ankehitriny. Raha ny vaovao farany azo, ny 10 isan-jato eo sisa, hasiana fanamboarana amin’ity kianja Barea ity.
Fahantongavan’ny Filohan’ny Fifa…
Ankoatra izay, miandry ny fahatongavan’ny Filohan’ny Federasionina iraisam-pirenena (Fifa), Gianni Infantino, eto Madagasikara ihany koa ny olona maro. Raha tsy misy ny fiovana farany, amin’ity volana janoary ity izy no ho avy eto. Ampahafantarina ihany, fa hanova ny sata mifehy ny Federasionina FMF sy hanokana an’ilay ivontoerana etsy Carion, no tena anton-dian’ity lehiben’ny Baolina kitra maneran-tany ity eto Madagasikara. Farany, hofantatra aorian’ny Can 2025, ny laharana vaovao ny Barea amin’ny Fifa, ary andrasana ihany koa ireo mpiray vondrona amin’ny ekipa nasionaly malagasy mandritra ny fiadiana ny tapakila hiatrehana ny Can 2027.
Fitia Randria




