Fahasalaman’ny fananahana : Mila resahina malalaka amin’ny tanora

Mbola olana amin’ny fitaizana eto Madagasikara ny fisokafana amin’ny firesahana malalaka momba ny fananahana. Tena ilain’ny tanora anefa izany mba hananany fefy sy miaro tena tsy ho tonga amin’ny vohoka tsy niriana. Eo koa ny hahafantarany ny fanangolena sy fanararaotana ara-pananahana mety handindona azy.
Tsy tokony hatao mahamenatra ny firesahana ny tontolon’ny fananahana ao an-tokantrano. Ny ray aman-dreny mihitsy no mila miresaka izany amin’ny antsipirihany amin’ny zanany na lahy na vavy, raha ny torohevitry ny mpanentana ho an’ny fahasalaman’ny ta­nora tafaresaka taminay.
Anokanana fotoana manokana ny firesahana ny momba ny fananahana. Henoina ihany koa ny ankizy hamantarana ny fahalalany mahakasika izany ary alaina ny heviny.
Ankoatra ny any an-trano, olona anisan’ny ankatoavin’ny ankizy ihany koa ny mpanabe na any am-pianarana na any anaty fikambanana ka tsara ny mivoy ny fahasalaman’ny fananahana, ny loza mety ateraky ny vohoka aloha loatra sy ny fitandremana tokony hatao hahafahan’ny ankizy mahafantatra ny tokony hatao sy miaro ny vatany.
Natoraly ny faniriana anaty firaisana ara-nofo ary efa lasa aloha mihitsy izany manerana izao tontolo izao satria 9 taona ny ankizy dia efa manana fanirina amin’ny firaisana ara-nofo. Tsy voafehy izany in­draindray ka eo no tena ilana tohana avy amin’ny manodidina mba tsy hanaonao foana.

Tatiana A

Partager sur: