Nisy ny fanaraha-maso natao tamin’ireo mpiofana nivoaka teo amin’ny rafi-pampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa (ETFP) tamin’ny taona 2023/2024 manerana ny Nosy.
Hita araka ny tondromarika fa betsaka ireo tanora no efa miditra eo amin’ny sehatry ny asa na koa mamorona asa ho an’ny tenany. Porofo izany fa mifanaraka amin’ny tolotra fanofanana omen’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ny seha-pihariana isam-paritra. Ho an’ny eto Antananarivo, efa misehatra amin’ny asa avokoa ny 65,37% amin’ireo olona nivoaka avy amin’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ary 20,50% kosa mbola nanohy fianarana. Any Antsiranana, 87,40% no miasa raha 12,60% nanohy fianarana. Ao Fianarantsoa, 85,27% nahita asa ary 14,38% kosa mbola nanohy fianarana. Any Mahajanga, 66,25% amin’ ireo mpiofana efa miasa fa 33,75% nanohy nianatra. Ho an’i Toamasina, 88,28% ireo niasa avy hatrany fa ny 11,03% nanohy nianatra. Any Toliara, 10,16% nanohy fianarana raha 74,22% manana asa fivelomana taorian’ny fianarana noratovina teny anivon’ny sekoly teknika na ivontoeram-panofanana arakasa.
Ireo mpiofana tany Toamasina no maro anisa nisehatra amin’ny asa avy hatrany taorian’ny fiofanana. Teto Antananarivo kosa no manana salanisa ambany indrindra amin’ny fidirana amin’ny sehatry ny asa. Tany Mahajanga no ambony ny tahan’ny mpiofana mbola nanohy fianarana ary Toliara no nahitana taha ambany indrindra amin’ny faritany enina.
Vonjy




