“Gala des champions” : Novaina ho fifanina­nana isan-klioba

Noho ny antony ara-pahasalamana, voatery nahemotra ho amin’ny fotoana tsy mbola fantatra ny fifaninanana “Gala des champions” nokasaina hatao ny 10 janoary izao, any Antsi­rabe. Fifaninanana izay karakarain’ny Phoenix Kross Fight ka haiady maro no saika hifaninana amin’izany. Tsy avelan’izy ireo handalo fotsiny anefa io fotoana io fa hisy ny fifanina­nana isaky ny klioba amin’ny taranja Boxe Anglaise sy kick boxing. Efa misy klioba avy any La Réunion tonga rahateo eto Mada­gasikara ary hifanandrina amin’ny klioba avy eto an-toerana. Manodidina ny 20 eo ny mpandray anjara amin’io fotoana io, raha ny fanazavan’ny mpikarakara. Ho fanajana sy fitan­droana ny fahasalamana, tsy ho azon’ny mpijery hatrehana ity fifaninanana ity fa atao mikaton-trano. Tsiahivina, anisan’ny firenena nandrasana tamin’ity « Gala des champions » ity ny nosy Maorisy sy Frantsa saingy noho io antony ara-pahasalamana izay misy eto Madagasikara dia nahemotra ny fifaninanana.

Mi.Raz

Partager sur: