Tra-tehaky ny fokonolona, omaly ny raim-pianakaviana iray, nahafaty ny renin-janany izay niterahany telo. Saika matin’ny fitsaram-bahoaka izy. Efa notsindromin’ny fokonolona antsy ny kibony.
Ny tody tsy misy! Saika matin’ny fokonolona tao Ambolomadinika, Toamasina ny raim-pianakaviana iray. Niharan’ny fitsaram-bahoaka izy, raha nikasa ny handositra taorian’ny heloka be vava nataony, afakomaly. Namono nahafaty ny vadiny, izay niterahany telo izy.
Nikasa hisitrika nanoloana ny fanaraha-maso nataon’ny fokonolona azy ilay raim-pianakaviana. Tsy nisolo akanjo hafa anefa izy, nanamora ny famantaran’ny mpanara-baovao azy izany. Mbola feno ra ny akanjo teny an-kodiny taorian’ny vono olona nataony. Nisy olona tsara sitrapo, nitsongodia ka nahafahana nisambotra azy tao amin’ny toerana antsoina hoe “Bassin”, kaominina ambanivohitra iray ao Toamasina. Nentin’ny fokonolona izy ka nanamparan’izy ireo fitsaram-bahoaka. Nidaroka sy namono ary nampiasa zava-maranitra toy ny antsy. Noleran’izy ireo teo amin’ny kibony io rangahy io. Naratra mafy ity farany saingy tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana. Nentina teny anivon’ ny toeram-pitsaboana.
Hasarotam-piaro
Tsiahivina fa maty notobotombohin’io lehilahy io antsy ilay renim-pianakaviana, izay vadiny taloha, tao Ambolomadinika taorian’ny fankalazana ny taoam-baovao. Niteraka telo izy mivady kanefa navelan-dralehilahy samirery tao an-trano ireo vady aman-janany. Nisaraka an-taonany maro izy mivady.
Niverina tao amin’ny tokantrano misy ilay ramatoa sy ny zanany ity nahavanon-doza tamin’ny andro fety. Tsy nampoiziny, nahita lehilahy iray hafa tao an-trano izay nilaozany izy. Nisafontan-katezerana sy tsy nahafehy tendrim-po izy. Nilaza rahateo ilay vehivavy fa efa manambady. Vadiny vaovao taorian’ ny namelana azy irery ilay novantanin’ity mpamono olona. Vokany, noleran-drangahy antsy ity farany. Betsaka ny ra very na dia nialana nenina aza ka niafara tamin’ny famoizainy aina.
Sajo




