Hifandona eo amin’ny lalao ampahefan-dalan’ ny Can 2025, i Maroc, mpampiatrano sy i Cameroun. Raha tsiahivina, lavon’i Maroc, nandritra ny lalao ampahavalon-dalana, 1 no ho 0, i Tanzania, ary resin’ny
ekipa nasionalin’ny kameroney, 2 no ho 1, i Afrika
Atsimo. Azo heverina ho toy ny famaranana tanteraka ity lalao ity, satria samy manana ny lazany aty Afrika izy roa ireo.
Ligim-paritra 16 indray no nahavita fifidianana izay hitantana mandritra ny efa-taona, ho an’ny taranja basikety, ny faran’ny herinandro teo. Mbola misy ligy 6 kosa tsy nahavita izany, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny federasionina malagasin’ny basikety ka hamoaka ny tetiandro farany hahafahana manatanteraka izany tsy ho ela, ny FMBB.
Hotanterahina ny 18 janoary izao, ny International IOCA (Indian Ocean Chess Rapide), taranja Échecs. Fifaninanana hampitain-davitra izy ity ka anisan’ny handray anjara i Madagasikara, ka ao amin’
ny “plateforme Tornelo” no hanatanterahana izany
fifaninanana izany. Efa misokatra ny fisoratana anarana.




