Fanehoana ny kanto : Tsy atahorana ny « IA »

Manomboka miroborobo fatratra ankehitriny ny fampiasana ny « Intelligence artificielle » na ny « IA » amina sehatra maro. Iray amin’ireny ny tontolon’ny zavakanto toy ny sary pika, sary hosodoko, ny sarimihetsika, ny mozika, sns. Amin’ny ankapobeny, ho fanampiana sy ho « fanatsarana » ny zavakanto no ampiasana ny « IA ». Sary pika matroka, hainy ny manadio azy. Feon-javamaneno tsy ampiasaina eny an-tsehatra akory, kanefa, vitan’ny « IA » ny mamoaka izany ho ren’ny mpijery, sns. Mety hampitolagaga…
… Fa, tsy atahorana ny hanimba zavakanto izy io raha ny fanadihadiana natao teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Tsy mitovy velively amin’ny voajanahary ny asa vitan’ny « IA ». Anisan’ny miasa ao anatin’ny zavakanto ny fanahy. Tsy ananan’ny « Intelligence artificielle » io singa iray maha olona io. Tsy manan-danja manoloana ny voajanahary ny artifisialy, raha ny fandinihina nataon’ireto manam-pahaizana momba ny fivoaran’ny zavakanto ireto.
Na izany aza, mila mampitombo ny fahalalana eo aminy ny olona miaina amin’izao vanim-potoana izao mba hahaizany manavaka ny voajanahary sy ny artifisialy.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: