Horonantsary fanadihadiana : Misongadina ny «Mangabangabaka»

Hotontosaina ny 12 hatramin’ny 22 novambra izao ny « International Documentary Film Festival Amsterdam na IDA. Anisan’ireo hasongadina manokana any ny « Mangaban­gabaka », horonantsary vaovao notontosain’i Michaël An­drianaly. Anisan’ny hetsika goavana indrindra maneran-tany ho an’ny horonantsary fanadihadiana izy ity. Nosafidiana manokana noho ny lohahevitra voizin’ny mpanatontosa, ankoatra ny kalitaon’ny vokatra sy ny famoahana ny aingam-panahy ao anatiny ny « Mangabangabaka” .
Manaraka akaiky ny fiainan’i Sonia ny horonantsary. Vehivavy nivelona tamin’ny fivarotan-tena nandritra ny 30 taona any Toamasina. 47 taona izy, ka nanomboka nametra-panontaniana mahakasika ny hoaviny sy ny an’ireo zanany. Nanapa-kevitra ny hanova fiainana izy, ka nirona tamin’ny asa fanjairana.

Zo ny Aina

Partager sur: