Ho fampivelarana ny kabary taona 2026: Hampianatra maimaimpoana ny Manda

Tafiditra ao anatin’ny fom­ba fiasa ho fampitiavana sy ho fampivelarana ny tontolon’ny kabary, tanterahin’ny fikambanana Manda Mpikabary, ny fampianarana izany maimaimpoana. Eny amin’ny biraon’ny boriborintany miisa 6 eto an-dRenivohitra no hanatontosana izany. Hetsika hanomboka ny sabotsy 17 janoary sy ny alahady 18 janoary ho avy izao. Haharitra 7 volana ny fampianarana. Isaky ny sabotsy tolakandro ny fampianarana. Nasongadin’ny mpitantana ity fikambanana ity fa : « fahalalana maro no azo avy amin’ny kabary. Tsy misaraka amin’ny kabary rahateo ny fi­ainan’ny Malagasy miainga any amin’ny fahaterahana ka hatrany amin’ny fandevenana ».
Nohamafisin’ireo mpitantana ny Manda Mpikabary ireo fa « mirakitra fahendrena ary tena mikolo ny saina ireo tsilalaon-teny, ohabolana, hainteny maro hita ao anatin’ny ka­bary. Mametraka rafi-tsaina mifototra amin’ny fahendrena malagasy ny kabary ka azo he­verina ho fanoitra iray ampiakarana ny lanja ara-tsain’ny fi­renena ». Nanterin’izy ireo fa : « azo atao ny ho tonga mpikabary matihanina. Azo raisana ho fanampim-pahalalana amin’ny sehatra hafa misy ny olom-pirenena ihany koa, anefa, ny kabary ».
Fantatra fa tetikasa iombonan’ny Manda Mpikabary amin’ny Fitaleavana misahana ny Fampandraisana anjara ny olom-pirenena sy ny fiainam-piarahamonina eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Re­nivohitra (DPCVC-CUA) ito fampianarana kabary tsy misy sarampianarana ito.

Nanangona : HaRy Razafindrakoto

Partager sur: